Naharitra ora maro ny fanolorana ireo kaomisera roa izay tompon'andraikitra tany Toliara tamin'ny fotoana nisian'ny olana teo amin'ny polisy sy ny mpitsara.
Tale iraisam-paritry ny polisy any an-toerana ny voalohany ary kaomisera tao amin’ny “Central” ao Toliara renivohitra kosa ny faharoa. Naneho firaisankina nanohana ireo namany ireo kaomisera maro ao amin’ny Amicale des Commissaires omaly ka tonga teny amin'ny Fitsarana. Nanomboka tamin'ny 9 maraina no nigadona teny anivon'ny Fitsarana ireo kaomisera roa ireo ary tsy nivoaka eo raha tsy tamin'ny 4 ora hariva. Avy hatrany dia didy famonjana vonjimaika eny Antanimora no navoakan'ny zokiolon'ny mpitsara mpanao famotorana ho azy roalahy ireo taorian'izay. Kivy sy ketraka avokoa ireo kaomisera tonga maro teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy raha vao naheno ity vaovao ity. Avy hatrany dia niantso ny minisitry ny Filaminana anatiny izay misahana ny polisy izy ireo mba hiara-midinika izao zava-manjo ny polisy izao.
Raha ny madinika no nampidirina am-ponja, andro vitsy lasa izay, tany Ambatolampy, tsy nisy fiantraikany be loatra teo anivon'ny polisy izany. Izao indray ny kaomisera no voa ka toy ny misaona mihitsy ny biraon'ny polisy teny Anosy omaly hariva taorian'ny fivoahan'ity didy ity. Nisy ny fivoriana maika niarahan'ny fikambanan'ny kaomisera sy ny minisitra misahana ny polisy omaly hariva ihany. Araka ny nolazain'ity minisitra ity tamin'ny fihaonana nataony tamin'ny mpanao gazety farany dia anisan'ireo natao famotorana ireo kaomisera roalahy ireo nataon'ilay vaomiera manokana misahana ny famotorana ity raharaha ity tany Toliara. Noraisina ho vavolombelona anefa izy ireo tamin'izany. Voatery nantsoina aty an-drenivohitra izy ireo satria heverina ho tompon'andraikitra tao anatin'ny raharaha nafahafaty ny mpitsara Rehavana Michel ny 9 desambra 2011 tany Toliara.
Titan
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.