Actualités

Famonoana an’i Njaka Iza no hosamborina ?


  • Alakamisy 26 Janoary 2012

Dona mafy teo amin’ny loha mahazo ny fihirifana, vokatry ny tifitra lakrimôzena ankitsirano no nitarika ny fahafatesan-dRabemiarana Njaka Lalaina.

 Teny Talatamaty no nahavoa an’i Njaka ka nampitolefika azy ny sabotsy 21 janoary 2012 tamin’ny 6 ora sy sasany hariva raha iny hamonjy fodiana avy nitsena ny filoha Marc Ravalomanana teny Ivato iny. Tao amin’ny HJRA no nahafaty azy ora, vitsy taorian’izay. Mazava fa dia vono olona tsotra izao izy ity ka miandry ny rehetra. Iza no hosamborina ka hogadraina ? Tsy hipetra-potsiny rahateo fa hametraka fitoriana ny havan’ny maty. Omaly no natao ny fandevenana an’ity maherifo ity, teny amin’ny fasandrazany eny Lazaina Avaradrano, taorian’ny fanomezam-bohinahitra an’Andriamanitra tao amin’ny FJKM Ambondrona Fitiavana. Asa na efa nandindona azy ny fahafatesany fa araka ny fantatra dia izy no nisafidy ny andalan-tsoratra masina hovakiana sy nandahatra ny hira tamin’ny fotoam-bavaka ho amin’ny fialantsasatry ny fanahiny natao omaly io. Tonga maro nanome voninahitra farany azy ny mpitolona ao amin’ny Magro, notarihin’ny minisitra isany Rolland Ravatomanga, Ihanta Andriamandrato, Ruffine Tsiranana sy ireo mpiray fikambanana taminy fahavelony. Niala an’Ambondrona ny razana dia nentina namakivaky ny araben’ny fahaleovantena, nandalo an’ny Magro Behoririka nialoha ny nihazoana ny fasan-drazany, fihetsika izay nampihetsi-po ny maro tokoa. Namela mananontena sy kamboty mianadahy kely, i Njaka izao nodimandry izao.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT