Actualités

Famonjana polisin’i Toliara Mandrahona hidina an-dalambe ny vahoaka


  • Zoma 20 Janoary 2012

Mafanafana ny toe-draharaha ao Toliara toarian’ny nitanana am-ponja ireo polisy vavy niasa tany Toliara.

 Voampanga ho anisan’ireo niray tendro tamin’ny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel tamin’ny 09 desambra 2011 izy ireo. Hatreto dia polisy miisa 11 no voatana am-ponja, mikasika io raharaha io. Mampiaka-peo ny mponina any Toliara manoloana io famonjana io. Mandrahona hidina an-dalambe izy ireo, raha ny fanazavan’i Mahasambotse Tolojanahary Anselme, filohan’ny FAMIFA. Nambaran’ity farany fa polisy tsy tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay mpitsara no ampidirina am-ponja, ary misy aza vao avy nodidiana, nivoaka ny hopitaly dia any am-ponja, raha ny fanazavany hatrany. Eto an-drenivohitra hatry ny omaly mitady fihaonana amin’ny mpitondra ity mpitarika fikambanana ity, hitadiavana vahaolana haingana. Tsy ho tana fa dia hidina an-dalambe hirotaka ny vahoaka any Toliara raha izao no mitohy, hoy hatrany i Anselme. Fiarovan-tsezan’ny minisitry ny filaminana anatiny, no mampiditra am-ponja ireo namany, ka takianay ny fialan’io tompon’andraikitra io, hoy ity filohan’ny FAMIFA ity.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT