Actualités

Famokarana angovo Maty momoka ny ao Farahantsana ?


  • Alakamisy 23 Jona 2016

Nahazo doka teny Tsimbazaza ny governemanta Mahafaly, nandritra ny fanaovan'ny governemanta tatitr'asa teo anatrehan’ny solombavambahoaka ny talata 21 jona, fa miasa ary mahazo vokatra.

Programan’asan’ny filoha no tanterahin’ny governemanta ary misy ny fitohizan’asa, ka raha ho an'ny Distrikan'Ambohidratrimo, fotsiny dia napetraky ny depiote Rabenirina Mamy, voafidy tao an-toerana, tamin’ny praiminisitra sy ireo mambra ny governemanta tandrify izany ny fanontaniana sady fampahatsiahivana, fa nahoana no tsy natomboka mihitsy ny fanohizana ny asa fanorenana tohodrano mamokatra angovo eny Farahantsana ? Ny Filohan'ny Repoblika mihitsy no nitarika ny lanonana fanohizana izany teny an-toerana, tamin'ny septambra 2014 ary tokony ho vita tamin'ny 31 martsa 2016 teo ny asa raha natao. Nampahatsiahivin’ity parlemantera Tiako i Madagasikara ity, teo anatrehan’ny governemanta ihany koa fa tsy mbola nanomboka ny asa fanamboarana ny lalana roa izay nomen'ny Filohan'ny Repoblika anarana hoe "Lalan'ny landy" (Mahitsy-Soavinimerina) sy "Lalan'ny atody" (Mahitsy-Antanetibe Mahazaza) fony izy nandalo tao Mahitsy tamin'ny taona 2015.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT