Actualités

Famindran-toerana gadra politika Velon’ahiahy ny fianakaviana


  • Alakamisy 02 Febroary 2012

«Am-pitaka ny namindrana ireo miaramila nofonjaina. Nolazaina fa tsy antonona ny fiara ka alefa tsikelikely, hay nafindra sady nosarahan-toerana izy ireo», hoy ny fianakavian’ireo miaramila nigadra noho ny raharaha politika nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy Bel’Air omaly.

 Ankoatra izay, raha ny fanazavana dia “norahonana izy ireo fa mbola miandry azy ny sazy miaramila”. Manoloana izany rehetra izany dia heverin’ireo fianakaviana fa fanitsakitsahina ny sori-dalana ny zava-misy sy atao amin’ireo voafonja ireo. Tsy ao anatin’ny sori-dalana, hoy ihany ireo fianakaviana ny resaka famindran-toerana na koa ny hanaovana azy ireo “résidence surveillée”. Ambonin’izay dia hampanalavirina ny toerana hametrahana azy ireo mba ho sarotra ho an’ny fianakaviana izay efa tena sahirana ny manatitra fanampiana sy manara-maso ny fahasalaman’izy ireo. Ho an’ny fianakaviana àry dia heverin’izy ireo fa «tetika maizina manakaiky ny filalaovana ny ain’ireo miaramila izao atao amin’izy ireo izao». Raha fitoniana no tadiavina, hoy izy ireo dia tokony ho niara-navoaka daholo izy rehetra. Raha natao “résidence surveillée” izy ireo, araka ny fanazavana dia tsy ho fantatra intsony ny momba azy ireo. Raha ny vaovao moa dia ireo miaramila 27 no mbola voafonja ara-politika tavela any an-tranomaizina, ireo sivily kosa efa nivoaka avokoa. Vao tamin’ity herinandro ity izao, ohatra, no nahafaka ireo voarohirohy tamin’ny raharaha Marais Masay, teo ny iray voarohirohy tamin’ny raharaha RAS Betongolo sy ny efatra tamin’ny FIGN.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT