Saika faminaniana ratsy avokoa no ankamaroan’ny hitranga amin’ny taona ho avy io. Fahitana ny hoavy, izay isaky ny volana oktobra toy izao no hanambaran’ireo mpahita ny hoavy izany, ka anjaran’ny olona tsirairay no mandinika ny fahamarinany sy na hino na tsia.
I Aina etsy Itaosy dia nanambara ny sabotsy teo ny zavatra mety hitranga ny taona ho avy. Anisan’ny nanaitra ny mpanao gazety izay nilazany io faminaniana io ny hisian’ny olona efa teo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena hodimandry. Tsy voafaritra mazava kosa na eto Madagasikara io na any ivelany, satria nambarany fa manjavozavo taminy ireo karazam-pahitana hitranga. Etsy ankilany, mbola nohamafisiny, fa hisy ranobe hamono olona eo amin’ny volana voalohany fiandohan’ny taona. Hamely mafy ny asan-jiolahy, ka be ny ho lavon’ny mpitandro ny filaminana. Hisy haino aman-jery izay nakatona hisokatra, hoy ihany ity mpahita ny hoavy ity, ary hahery vaika ny fifandonan-kevitra eo amin’ny samy mpanao politika.
Tsy nahita tao amin’io faminaniako io aho ny fiakatry ny vidim-piainana sy ny fifidianana, satria teo amin’ny roa minitra teo no nandalovan’ireo fahitana ireo tamiko, hoy izy. Tsara ny milaza fa in-droa namoaka boky kely momba ireo karazana faminaniana hitranga ny taona ho avy ity Aina mpitsabo ity, anisan’io ny nilazany herintaona toy izao, fa hisy mpanao gazety higadra, ary hisy mpanao politika fatan-daza ho faty ihany koa, ity taona 2011 ity, ary nanambara izy, fa hisy mpanao politika nitsoaka nandositra mikasa hiverina eto, fa tsy tafiditra satria hisy hisakana izany. Teo ihany koa ny nilazany tamin’io boky kely io, fa ho tafakatra 500Ar ny kapoakan’ny vary, ary mbola hitohy ny korontana politika eto Madagasikara. Isika rehetra no mitsara ireo voalazany ireo, raha nisy tokoa izany ankehitriny na tsia. 0320279868 no ahazoana bebe kokoa ny fahitana hambaran’ity lehilahy ity.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.