Be ny tranga ratsy hiseho raha tsy mitandrina isika. Hanapotika ny fiainam-pirenena eto ny resaka politika. Ny fahitana hitako, dia hisy andrim-panjakana hirodana amin’io taona 2012 io, hoy i Noelah izay vehivavy mpahita ny hoavy.
Toy ny rahona, nefa toa vovon-dandihazo izany no nahitako ny fiainan’ny Malagasy. Nosintoniko ireo zavatra fotsifotsy ireo mba hiala teo anoloako, kanjo zava-doza no hitako tamin’io fahitana izay niseho ny alahady alina teo. Vary iray kapoaka no tazako eo afovoany, nefa vahoaka an’alin-kisa no mihinana azy, ka voam-bary iray zarain’olona efatra. Tsy zakan’ireo vahoaka bataina ilay vary iray kapoaka. Toa midika amiko io fahitana io, fa vao mainka ho mafy ny tsy fahazakan’ny olona ny vidim-bary amin’io taona 2O12 io. Mbola hitako tao anatin’io zavatra fotsifotsy be io ihany koa ireo mpanao politika mifandringom-bolo, ary hitako fa nirodana ilay andrim-panjakana, ka niongana ireo olona ireo.
Tsy azoko an-tsaina kosa io andrim-panjakana nirodana io. Ny tena nampalahelo dia ireo vahoaka tsy nahazaka vary iray kapoaka no nokaravasian’ireo mpanao politika, ka nipitika tany anaty fako. Nitazana fotsiny ireo vazaha tety ivelan’ilay lapa, sady niantso hoe tsy omenay fanampiana ianareo, raha tsy mandamina ny sakafo ho an’iretsy olona mijaly amin’ny vary iray kapoaka iretsy.
Tampoka teo, dia nisy hafanana be ary vao mainka nampitondra takaitra iretsy vahoaka teo am-pototr’ilay kapoaka, ka nirehitra ilay vary, ary tsy nahita nohanina izy ireo. Vao may ilay vary, ka efa tsy nisy intsony, vao nisy ranobe nandena izany. Difotra tao indray ilay olona hitako, ka nisy ny maty, ary maro no nijaly. Io rano be io no toa nitondra ahy teo amoron-drano, hoy ity mpahita ny hoavy ity, ka nilazan’ireo zazavindrano mpitaiza ahy hoe, hampijaly ny vahoaka ny vidim-piainana, ary ireo mpanao politikanareo no fototr’izany. Azo sorohina anefa ireo, raha mahay mifandefitra kely fotsiny, ka ny hifanohitra amin’ireo no ho hita. Ilay mpitondra hiongana kosa hoy izy, dia ho hitanareo eo ireo ho very seza amin’io taona 2012 io. Telo minitra no faharetan’ireo fahitako ireo, ary nambaran’ilay zazavindrano nampita ahy tamin’io alahady hariva io, fa holazaiko anao tsy ho ela, hoy izy ny tohiny. Tao an-tokantranoko aho no nahita ireo, hoy i Noelah.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.