Actualités

Familian-dalana noho ny lalana tapaka Tsy misy fandraisana andraikitra amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Toerana efa tsy laitra fa anisan’ny ahitana fitohanan’ny fifamoivoizana izay tsy izy ary saika mandava-taona mihitsy (tahaka ireo marobe eto an-drenivohitra) ny miala eny Mandroseza mandalo an’Ambanidia mandra-pahatonga aty amin’ny “route cirlulaire” Ankorahotra iny.

 Vao mainka nihanitombo izany fitohanana izany, ary tsy mahagaga mihitsy, rehefa nisy ny familiana ny fifamoivoizana (déviation) tsy maintsy natao mihazo ny By Pass iny rehefa tapaka ny tetezana iray ao Ambohimangakely ao fa any avokoa ny lalan’ny fiara-mpitatitra sy ireo kamio avy amin’ny RN 2. Eo anatrehan’izany anefa dia tsy misy mihitsy fandraisana andraikitra avy amin’ny tompon’andraikitry ny mpandrindra ny fifamoivoizana an-drenivohitra sy Alasora ny mba hanampiana ireo olona misahana izany noho ity trangan-javatra noho ny loza voajanahary ity fa dia heverin-dry zareo ho toy ny isan’andro ihany ka dia ireo mpanjifa no mizaka ny fiantraikan’izany amin’ny fahatarana lava amin’ny famonjena fotoana.

Mbola avela hitsofoka amin’ny lalana taloha tery dia tery mitsofoka eo Ankadindratombo mihazo ny tetezan’ny By Pass ohatra ny kamio lehibe fa tsy ahodina any amin’ny lalam-baovao vao mivily aty amin’ny tetezan’Ankadindratombo. Mbola avela hijanona ela eo amin’ny fiantsonana Ambanidia (Ekar St Etienne) koa ny zotra sasantsasany toy ny 192 fa tsy mba korodosina ohatra ny sasany nefa eo no tena mampitohana ny fifamoivoizana na avy any ambony na avy any ambany. Ary raha vao avy ny orana na manomboka mazimaizina ny andro dia efa tsy tazana intsony ireny mpitsoka kiririoka ireny na dia fantatra aza fa misy fifandimbiasana toerana tsy tapaka amin’izy ireo.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT