Famerenana ny fanjakana tan-dalŕna

> “Mitaky fahasahian’ny mpitondra”, hoy i Ndremanjary Jean André


  • Zoma 24 Janoary 2014


Laharam-pahamehana ho an’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery ny famerenana ny fanjakana tan-dalàna izay gaboraraka tokoa tao anatin’ny dimy taona naharetan’ny tetezamita niainga tamin’ny fanonganam-panjakana. Io mantsy no heverin’ity filohan’i Repoblikan’i Madagasikara vaovao ity fa ho vahaolana hampiverina ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra fanjakana. Mila finiavana sy fandraisana fanapahan-kevitra hentitra anefa ny fampiharana izany satria efa lasa tandra vadin-koditra teo amin’ny fiarahamonina Malagasy niainga avy amin’ny mpitondra tsy refesi-mandidy ity fomba ratsy manjaka ity. Ny zava-nisy tokoa mantsy nanomboka tamin’ny taona 2009 mandraka ankehitriny dia ny tsy fanarahan-dalàna no betsaka ka afaka manao izay danin’ny kibony ireo tompon’ny fahefana. Maro ireo porofo azo hanamarinana izany toy ny lalàna mifehy fa tsy anjaran’ny mpitondra tetezamita ohatra ny manorina fotodrafitrasa, ny manao fifanarahana sy fifampiraharahana amin’ny anaran’ny fanjakana malagasy, ny manala amin’ny toerany olom-boafidy nolanian’ny vahoaka toy ny solombavambahoaka sy Ben’ny tanàna sy ny maro hafa nefa dia izany no niainana teto nandritra ny 58 volana.

Ny tena fandikan-dalàna goavana indrindra moa dia ny fanovana tsotra izao ny teny filamatra maha Repoblika ny firenena malagasy. Teo ihany koa ny fanatanterahana amboletra ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny fandaniana Lalàmpanorenana vaovao tamin’ny fomba mamohehatra sy tsy fampiseho masoandro izay mbola nosihosena sy tsy nasiana lanjany ihany koa rehefa tsy mifanaraka amin’ny sitrapo sy tombontsoan’ireo mpitondra mankafy sy te hihazona fahefana. Momba izay Lalàna fototra izay indrindra dia mipetraka ankehitriny ny fanontaniana ny amin’ny hoe Lalàmpanorenana inona moa izany no hanaovan’ny filoham-pirenena vaovao fianianana, ilay an’ny Repoblika fahatelo izay tsy manan-kery intsony sa ilay nolanian’ny mpitondra FAT maimaika nefa tsy eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ? Ny mpahay lalàna angamba no afaka hamaly izany mandritra ny lanonana tanterahana eny Mahamasina rahampitso sabotsy 25 janoary 2014.

 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT