Famelabelaran-kevitra ara-toekarena

> Miandrandra ny ho tohiny ireo mpandraharaha


  • Zoma 15 Novambra 2013


Karazana savaranonando ihany iny famelabelaran-kevitra ara-toekarena ankapobeny notanterahan’ireo kandida mirahalahy hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa hotanterahina amin’ny zoma 20 desambra 2013 ho an’ireo mpandraharaha malagasy sy vahiny nanatrika izany teny amin’ny hotely Carlton Anosy omaly alakamisy 14 novambra 2013. Nahaliana sy naharesy lahatra ny besinimaro amin’ny ankapobeny ny famelabelarana nataon’ireo mpifaninana haka ny toeran’ny filohan’ny Repoblika malagasy ireo. Mbola mila fandalinana bebe kokoa anefa ireny fanazavana sy fanehoan-kevitra momba ny toekarena ireny. Amin’ireto mpandraharaha ara-toekarena ireto toa an-dRamanantsoa Harilala, mpitantana ny orinasa Madavision, ohatra, dia rariny sy hitsiny raha mbola misy ny tohin’iny hetsika iny mba hampahafantaran’ireo kandida ireo amin’ny antsipirihany ny tena fandaharan’asan’izy ireo hanarenana ny toekaren’i Madagasikara izay tena marefo tokoa.

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT