Nisy diso ny fanomezam-baovao ny vahoaka teto amintsika momba ny famatsian-drano fisotro madio, hoy ny minisitry ny rano Roland Ravatomanga omaly.
Faritra folo teo no nambarany fa nahitana izany nataon’ireo fikambanana sy mpamatsy vola sasany. Mba ho fanitsiana izany sy ho fijerena ifotony ny tena zava-misy marina ary dia nanatanteraka atrikasa niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanao ny asa eny ifotony ny minisitra omaly. Tanjona ny hahafantarana ny tena zava-misy hahafahana mamaritra ny asa tokony hatao hisorohana ny mety ho famitam-bahoaka toy ny nisy teo aloha, hoy izy. Anisan’ny tonga nanatrona ny atrikasa ny UNICEF, ny Water Aid. Nomarihiny manokana fa ezahina hatao isaky ny roa na telo volana ny fihaonana eo amin’ny roa tonta tahaka izao ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy. Mikasika ny asa hatrehin’izy ireo manokana dia fantatra fa hitodika manokana hijery ireo mponina any amin’ny Faritra Atsimo ity minisitera ity manomboka izao. Hisy mantsy ny famatsian-drano manodidina an’i Sampona, ahitana distrika maro toa an’i Tsihombe, Ambovombe Androy… asa hotanterahina mialoha ny faran’ny taona. Raha ny fanazavan’ny minisitra Roland Ravatomanga, omaly dia efa misy ny siniben-drano mihaty 300 m3 any an-toerana, miampy “tuyau” lehibe 50 km, izay tsy vita tanteraka noho ny tsy fahampian’ny vola teo am-pelatanana. Avy ao amin’ny reniranon’i Mandrare no hisintonana ny rano, ka manodidina ny 3 miliara dôlara ny vola ilain’ny fanjakana hanatanterahana izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.