Raha ny vinavinan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara sy ny fanirian’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo dia hanomboka miaraka amin’io taona vaovao 2014 hitsidika tsy ho ela io ny tena fanarenana ny fiainam-pirenena.
Voakasika manokana amin’izany ny lafiny ara-toekarena sy ny sehatra sosialy izay tena voa mafy tokoa vokatry ny fanonganam-panjakana sy ny tsy fahaiza-mitantana nandritra ny dimy taona latsaka naharetan’ny tetezamita. Mbola miankina betsaka amin’ny fivoahan’ny firenena malagasy amin’ny krizy taorian’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka notanterahan’ireo olom-pirenena farany teo anefa ny mety hiverenan’ny famatsiam-bola avy any ivelany izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny asa fampandrosoana. Raha ny zava-misy hatramin’izao aloha dia mampanahy be ihany satria hita ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo mpifanandrina ara-politika izay saika miparitaka manerana ny Nosy mihitsy ny mikasika ireo voka-pifidianana iandraiketan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita ny famoahana azy.
Ny tena hanahirana amin’ity raharaha ity mantsy dia na hiroso amin’ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy aza ny Fitsarana manokana mikirakira ny fifidianana nefa tsy niala nenina amin’ny fomba rehetra eo am-pelatanany hitadiavana ny tena marina sy hampivoaka ny tena safidin’ny mpifidy maro an’isa dia karazan’ny herimpo very maina ihany satria dia ho tonga amin’ny fitarozahan’ny krizy izay midika famonoana an-kolaka ireo vahoaka malagasy miisa 22 tapitrisa. Maro rahateo ireo mieritreritra fa maninona moa raha atao tokoa ny fampitahana ireo fitanana an-tsoratra manerana ireo birao fandatsaham-bato 20.001, eny fa na dia andaniana fotoana aza izany satria ny hoavin’ny taranaka fara aman-dimby no tsinjovina. Ny 5 taona latsaka niaretan’ny vahoaka tamin’ny fitondrana tsy ara-dalàna aza aritra ihany, mainka fa efa antomotry ny fivoahana amin’ny fahasahiranana sy ny fahantrana indray ve vao hiraviravy tanana ireo tompon’andraikitra napetraka hiantsoroka izany adidy goavana sy mavesatra izany, hoy ny fanampim-panazavana heno teny anivon’ny fiarahamonina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.