Fakana an-keriny Karana tao Toamasina

> Niakatra fampanoavana ny 2 tamin’ireo 4 voarohirohy


  • Alakamisy 05 Desambra 2013


Raha mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly be Toamasina Rasamimanana Alphonse (Lala) sy Lenjira Eric naratra vokatry ny fifampitifirana tamin’ny zandary ny alatsinainy hariva teo tao Bazary kely, dia niakatra fampanoavana omaly tolakandro kosa ny roa tamin’ireo mpaka an-keriny an’ilay karana Moustafa, dia ilay Lietna miaramila sy vehivavy niara-tratra taminy. Araka ny loharanom-baovao dia misy anaran’olona am-polony voatanisa ho mpiray tendro sy mpiray dia ary mpiara-mibizina voatonona ao anatin’ny antontan-taratasin’ady natolotry ny zandary ny fitsarana. Fakana an-keriny sy fanagejana olona – fanaovana fikambanan-jiolahy – ary fihazonana fitaovam-piadiana sokajy faharoa, no vesatra anenjehan’ny fitsarana azy ireo. Tsy tafiditra tamin’ny heloka anenjehana azy ireo kosa ny “fakana vola tsy araka ny lalàna (extorsion des fonds)” noho i Moustafa tsy nanaiky natao fanadihadiana teo anivon’ny zandary, araka ny angom-baovao hatrany. Notazonina am-ponja vonjimaika avy hatrany izy mianadahy niakatra fampanoavana ireto.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT