Actualités

FAKANA AN-KERINY KARANA IRAY TENY IVANDRY Lehilahy iray no tratra


  • Sabotsy 02 Jolay 2016

Ny alakamisy 30 jona lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany antoandro dia nahazo loharanom-baovao ny polisy miady amin’ny heloka bevava sakelika fahefatra fa misy karana iray tazonin’olona eny amin’iny faritra Soamanety Ambohidratrimo iny.

 Nidina avy hatrany teny an-toerana ny tompon’andraikitra ka nametraka ny vela-pandrika. Olona iray nijoro teo ivelan’ny trano voalaza fa nitazonana ilay karana no nifanehitra tamin’ny mpitandro ny filaminana nandritra izany ka nosamboriny.  Tsifolahy no anarany.  Nidina avy hatrany tao amin’ilay trano  ihany koa ny mpitandro ny filaminana taorian’izay. Vokany, hita tao amin’ny efitrano iray ilay karana antsoina hoe : Rafik  Fidahoussein  izay nalain’olona an-keriny nirongo kalaky teny Ivandry ny harivan’ny 21 jona 2016. Rehefa nosavaina ilay trano dia nahitana basy kalaky efa bory vava miaraka amin’ny boite chargeurs feno bala 28 isa, nahitana basy P.A ihany koa. Tamin’ny fanadihadihana natao an’i Tsifolahy   no  nanononany ny  anaran’ny namany iray.  Mbola  mitohy ny fikarohana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT