Fakana an-keriny an’i Moustafa

> Lietnŕ miaramila no atidohany ?


  • Alatsinainy 02 Desambra 2013

Miha mazava izao ny momba ireo andian’olona naka an-keriny an’ilay mpandraharaha Karana antsoina hoe Moustafa roa herinandro lasa izay raha iny izy namonjy fodiana ka niditra ny garaziny iny tao Ampasimazava.

Araka ny loharanom-baovao akaiky ity raharaha ity dia miaramila manana ny grady Lietna miasa eto Antananarivo izany no atidoha nitarika ny fakana an-keriny. Nisy miaramila mpiray tendro aminy, ankoatra ireo olon-tsotra mpanome ny vaovao sy mpitari-dalana ao Toamasina. Araka io loharanom-baovao io hatrany dia mbola eo am-pelatanan’ireo naka an-keriny azy i Moustafa ary tsy mbola nihetsika ao Toamasina aloha hatreto. Etsy an-kilany dia eo am-panangonana ilay vola 1.400 arivo tapitrisa Ariary takian’ireo mpaka an-keriny ho sandan’ny famotsorana azy ankehitriny ny fianakaviany. Manara-maso akaiky ny fandehan-draharaha koa ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana ka ho hita eo ny tohiny.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT