Actualités

Fahitalavitra RTA Hiakatra fitsarana ny fandaharana «Matingo»


  • Alatsinainy 30 Janoary 2012

Iray volana latsaka izay no tsy hita intsony ny Matingo, ilay fandaharana famoha-mandry isa-maraina ao amin’ny fahitalavitra RTA.

 Tsy nandrenesam-baovao intsony koa izy valo mianadahy dia i Andry Lal’Aina, Miah, Soa, Teg, Hariliva, Mihantavola, Tantely, Jerry mpanolotra niaraka tamin’i Rindra, mpanolotra ny fandaharana Muzai izay efa nanafana ny Matingo ihany koa teo aloha. Niezaka nikaroka ny vaovao rehetra izahay, fa dia tsaho sy honohono sisa no nandrenesana fa voaroaka izy ireo. Tsy fantatra izay tena antony. Miezaka mitana izany ho tsiambaratelo rahateo izy ireo na dia mifampiresaka ao amin’ny facebook an’ny Matingo aza. «Misaotra anareo maminavina izany fa raha sitrakareo dia tsy mbola fotoanany hamoahanay ny antony nahatonga anay ho nisaorana izao», araka ny voasoratra matetika ao amin’io kaonty io.

Mampametra-panontaniana rahateo ny mahita ireo fandaharana sasantsasany izay miverina ankehitriny fa tsy misy famokarana vaovao intsony. Taorian’ny fanadihadiana no nahalalana fa «noho ny olana misy eo anivon’ny orinasa dia naneho ny tsy fahafaliany izy ireo ka nitsangana avokoa nandritra ny fivoriambe rehefa avy nangata-panazavana kanefa tsy nahazo valiny».
Araka ny fantatra dia tsy nanaiky fandroahana tsy ara-drariny sady nitaky ny zony rehetra izy sivy mianadahy. Efa nandray ny andraikiny ny sampandraharahan’ny «inspection de travail» saingy toa tsy nahitam-bahaolana izany ka hiakatra eny anivon’ny fitsarana momba ny asa ny raharaha hifanolanan’izy sivy mianadahy amin’ny fahitalavitra RTA.

G.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT