Actualités

Fahatapahan-jiro Mbola ho lava


  • Zoma 04 Novambra 2011

Nilatsaka ny baiko avy eo anivon'ny orinasa Jirama fa samy mandray andraikitra avokoa izay voakasika rehetra amin'ny fahatapahan-jiro eto an-drenivohitra sy manerana ny nosy.

 Isan'andro tato ho ato dia ny tompon'andraikitry ny serasera no miezaka manazava ny antony. Omaly indray dia ny tompon'andraikitry ny fitrandrahana solika ao Andekaleka indray no nanazava fa raha mbola mitohy ny tsy fahampian'ny rotsak'orana dia vao mainka hihamafy ny fahatapahan-jiro. Tranga izay anisan'ny nanakianana mafy ny filoha Ravalomanana sy ireo vahiny nanampy tamin’ny fitantanana tao amin'ny Jirama izy ity tamin'ny fotoan'androny. Ankehitriny anefa, izay fianakaviana akaiky ny filohan'ny FAT mihitsy no tale jeneraly lefitra misahana ny fitantanana ao amin'ity orinasa ity kanefa izao no zava-misy. Ny marina dia mitady izay fomba rehetra entina handresena lahatra ny mpanjifa ny Jirama na eo aza ny olana ara-bola izay ezahiny tsy tenina mihitsy amin'zao fotoana izao. Olana ara-bola izay mitarika amin'ny tsy fahafahana mividy solika mampihodina ireo milina sasany famokarana herinaratra. Mbola ho lava ity delestazy ity raha izao !

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT