Fahantran’ny 92%-n’ny Malagasy

> Efa tsy takona afenina intsony


  • Alakamisy 19 Desambra 2013

Tena voaporofo tanteraka eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny fa miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka ny vahoaka Malagasy.

Voalazan’ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena farany rahateo fa tafakatra hatrany amin’ny 92% ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao raha efa 68% izany mialoha ny fanonganam-panjakana niseho ny taona 2009. Ireo mpitondra fanjakana tetezamita maro an’isa moa dia tsy resy lahatra loatra amin’io salan’isa io ary miala andraikitra hatrany sy manipy ny tsy mety foana amin’ny fiaraha-mitantana tsy mahomby taorian’ny fampiharana ny sori-dalana tao anatin’ny roa taona farany. Ny tsy azo lavina kosa aloha dia efa iainan’ny vahoaka isan’andro io fahantrana io. Anisan’izany ireo fako miavosa manerana ny tanàna miaraka amin’ny fofona tsy zakan’ny orona izay miteraka ireo valanaretina isan-karazany toy ny pesta izay mamono mihitsy. Eo ihany koa ny fahasimban’ireo fotodrafitrasa marobe toy ny lalana izay miteraka fitohanana lavareny eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana ka mahatonga fahatarana amin’ny fidiran’ireo mpianatra sy mpiasa. Ampahany amin’ny fahoriana mianjady amin’ny mpiara-belona ihany ireo. Soa ihany fa haneho ny tena heviny amin’ny fifidianana izay hotanterahana tsy ho ela ny olom-pirenena Malagasy. Safidy roa rahateo no miandry azy na hanohy ny tetezamita na miova fijery sy mitady lalam-baovao.

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT