Ny sabotsy 21 janoary 2012 no andro voantondro fa hiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana.
Vahoaka ana hetsiny maro no tonga nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Araka ny efa fantatra moa dia tsy nahazo nipetraka teny ny fiaramanidina nitondra an-dRavalomanana noho ny NOTAM manakatona ireo seranam-piaramanidina lehibe araka ny baikon’ny filohan’ny FAT tamin’ny minitra farany. Nony ny harivariva ny andro dia nezahin’ireo mpitandro ny filaminana naparitaka ireo vahoaka marobe tonga teny Ivato. Etona mandatsa-dranomaso sy karazana vovoka masiaka no nampiasain’izy ireo tamin’izany. Tsy teny Ivato ihany no nanapoahan’ireo mpitandro ny filaminana lakrimôzena fa teo indrindra koa ireo efa namonjy fodiana nandeha an-tongotra nihazo ny renivohitra noho ny tsy fisiana zotram-pitaterana intsony ary teo ny hamaroan’ny olona tsy nahafahan’ireo fiarakodia nifamezivezy.
Teny Talatamaty iny no nahavoa ny iray amin’ireo mpitsena an-dRavalomanana. Araka ny fanazavan’ny fianakaviana dia nasain’ireo mpitandro ny filaminana niditra elakela-trano izy ireo satria hoe hanapoaka lakrimozena izy ireo. Kinanjo, iny izy niditra ilay elakela-trano voatondro iny indrindra no norarafana lakrimozena. Voa mafy ny lohan’i Njaka. Vavafery roa no hita tao ka nampivonto be ny lohany. Efa teny Ambohimanarina anefa vao nahita taksi nitondrana azy tany amin’ny hopitaly ireo niara-dia taminy, araka ny fanazavana. Ankoatra izay anefa dia tsy nety nandray azy ny hopitaly teny Ankadifotsy nivantanany satria hoe naratra teny Ivato. Araka izany dia voatery nihazo ny HJRA Ampefiloha izy ireo ka tamin’ny 7 ora hariva tany ho any vao nahazo fitsaboana. Tamin’ny iray ora maraina moa no tapitra ny ainy, araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso. Noho izao famoizana aina izao noho ny fampiasan-kery izao dia nametraka fitoriana eny anivon’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava ny fianakaviana ny zoma lasa teo. Nisokatra ny fanadihadiana ka mampanahy ireo fianakaviana ny fombafomba hatao amin’izany.
Teny amin’ny fitsarana Anosy, hoy izy ireo no nametrahanay ny fitoriana kanefa dia eny Betongolo ny havanay no hampanantsoina ny talata ho avy izao (rahampitso), araka ny fanazavana. Raha ny siosion-dresaka sy ny fihetsik’ireo tompon’andraikitra, raha ny fanazavana ihany dia tadiavina hosamborina ilay vavolombelona nahita maso ny tena zavatra nihatra tamin’i Njaka ka velon’ahiahy ireo fianakaviana ny amin’izay mety hiafaran’ity raharaha ity.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.