Actualités

Fahafatesan’i Nadine Ramaroson Nanakiana ny FAT i Alain Ramaroson


  • Alakamisy 26 Janoary 2012

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny CST Alain Ramaroson nandritry ny fandalovany tany Toliara. Izany dia mahakasika ny fahafatesan’ny minisitry ny mponina Nadine Ramaroson izay maty nandritry ny lozam-pifamoivoizana tany Soanierana-Ivongo ny 26 aogositra tamin’ny taon-dasa.

 Tsy mandray andraikitra, hoy izy ny fanjakana. “Ary mba aiza ho aiza izao ny momba ny tompon-tsambo ?”, raha araka ny fanazavan’ity CST ity ihany. Nandritry ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety no nanambarany an’izany tao Bezaha-Toliara. Marina fa nisy ny fanadihadiana nisokatra nefa toa tsy misy dikany akory izany hatreto. Odian’ny fanjakana fanina fotsiny ny raharaha, raha araka ny fijerin’i Alain Ramaroson azy. «Raha izao no mitohy dia izaho amin’izay no handray ny fepetra rehetra hanaovana izay hisamborana ny tompon’andraikitra tamin’iny loza iny. Efa ananako rahateo ny porofo amin’izao fotoana izao», hoy ihany i Alain Ramaroson. Raha tsiahivina dia mamofomponona vono olona niniana iny raharaha iny. Izany dia noho ny fisian’ny grenady nipoaka izay nahafaty ny minisitra sy ny delegasiona notarihiny.

G.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT