Actualités

Faha-75 taonan’ny Amiraly Ratsiraka Lanonambe ao Toamasina anio


  • Zoma 04 Novambra 2011

Anio 04 novambra no hankalaza ny faha-75 taona nahaterahan’ny Amiraly Ratsiraka Didier Ignace.

Efa tonga tao Toamasina hatramin´ny omaly rahateo ny zanany lahy tokana, Xavier Ratsiraka sy ny vady aman-janany, hiatrika izany lanonan´ny tsingerintaona faha-75 nahaterahan’ny rainy izany, ity farany izay mbola tavela any Frantsa hatramin’ny jolay 2002. Lanonambe ao Toamasina anio. Noho ny fandaminana, araka ny nambaran’ny mpikarakara, dia nozaraina roa ny toeram-pankalazana izany tsingerintaonan’ny amiraly Ratsiraka ao Toamasina izao ka ny zanak’i Toamasina sy ny Faritra Atsinanana ary ny MAVAM manontolo dia ao amin´ny CRJS Tanambao V no hifamotoana, ireo vahiny avy amin´ny Faritra 21 sy ny Faritany 05 hafa kosa dia ao amin´ny kianja mitafo ny Soavita no hifety.

Ny kabary rehetra kosa dia ao amin’ny CRJS, ka anisan’ny hisolotena an-drainy amin’izany i Xavier Ratsiraka. Fantatra fa omby 09 sy vary 30 gony no hifampizarana ho nofon-kena mitam-pihavanana amin’izany. Rtoa Jacqueline Ratsiraka, anabavin’ny amiraly, no anisan’ny mpikarakara sy mpandrindra ny lanonana rehetra, izay hifanampiany amin´ny zanaky ny anadahiny vao tonga avy any ampitan-dranomasina ary ireo komity manokana natsangana. “Tsy nanavahana olona ny fankalazana ny faha-75 taonan’ny amiraly, fa nasaina avokoa ny Malagasy rehetra”, hoy ny komity mpikarakara ny lanonana. Nahazo fanasana amin´izany ny ankolafy Ravalomanana sy ny TIM Ravalomanana ao Toamasina.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT