Ny valandresaka nokarakarain'ny MCCP na ny Mouvement Chretien de Cadres et de Professionnels tao Toamasina ny sabotsy teo, no nanamafisan'ny mompera Randriamanantena Mamy Willson izany fahatsapana izany raha nitarika ny dinika ho an'ireo rehetra misahana fanabeazana tao an-toerana izy, ka lohahevitra tamin'izany ny hoe: "Fandanjalanjana ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny asa ataon'ny tsirairay sy ny asa atao amin'ny fiarahamonina."Efa fanaon'ny mpikarakara moa ny manatanteraka kaonferansa sy fampianarana amina lohahevitra samihafa mba ahafahana manampy ireo tompon'andraikitra samihafa eo anivon'ny finoana Katolika amin'ny andraikitra tanan'izy ireny avy. Ny fampianarana mifandraika tamin'ny fandanjalanjana araka ny fombam-panahy araka an'ny Masindahy Ignace no tena novelabelarina sy nofakafakaina tamin'izany. Mba hanomezana hery sy tanjaka ara-panahy sy ara-tsaina ireo rehetra niatrika. Satria tsapa tokoa fa "Voa mafy ny etika Malagasy tato anatin'ny dimy taona" araka ny voalazan'ny Mompera Mamy Willson. Manampy betsaka amin'ny fandanjalanjana ataon'ny olombelona ny fahatsiarovan-tena sy ny fahavononana hanova ny fahalovana sy hanohitra ny ratsy. Toy izany koa ny fisian'ny mason-tsivana araka an’i Kristy sy ny Evanjely, ny fahamalinana, ny fahalalana oniny, ny hery ary ny fahamarinana. Manana adidy masina hampita izay norantoviny nandritra ny valandresaka eny anivon'ny fiarahamonina misy azy kosa manomboka izao ireo niatrika ity fotoana ity.
FanjaTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.