Actualités

Esplanade Analakely Vao niteny dia voasambotra


  • Alakamisy 23 Febroary 2012

Tsy mahazaka ny adim-piainana intsony ary leo ny tsindrihazolena sy fanaovana tsinontsinona azy ireo vahoaka madinika ka niainga nanao hetsika hiantsoana ireo miaramila handray ny fitondrana tetsy amin’ny Esplanade Analakely omaly maraina.

 Raha iny mbola niantsoantso tamin’ny “mégaphone” iny anefa ny mpanentana dia tonga ny fiara 4x4 niisa roa ka mpitandro filaminana niisa 10 nirongo basy no avy hatrany nanatona azy ireo. Tsy nisy resaka fifanazavana na fampitandremana fa avy hatrany dia notarihina nikisaka ireo mpitarika niisa telo. Nijanona teny anaty amboteazy ireo 4x4, ka tsy nisy alaharo alaharo fa natsofoka tao anatin’ny iray ny roalahy tamin’ireo nosamborina, raha niala sisiny moramora teny an-dalana nitarihana azy ny fahatelo.

Raha ny nambaran’i Nambinina nialoha ny fisamborana azy dia hetsika amin’ny maha olom-pirenena tsotra saingy kosa fandraisana andraikitra sy fanairana ireo mpanao politika nanao sonia ny tondrozotra hialana amin’izao krizy mahazo ny firenena izao no nataon’izy ireo. Tsy nisy fanelingelenana na fanohintohinana ny andavanandron’ny mponina teny Analakely ity hetsika ity, raha ny tazana teny an-toerana, saingy avy hatrany dia fanapenam-bava no nahazo ireo vahoaka madinika naneho ny heviny sy nanao ny antsoantsony ho an’ireo miaramila.

Tsy vitan’izany fa saika nopotehin’ny iray tamin’ireo mpitandro filaminana nirongo fiadiana ihany koa ny fakan-tsary “camera” an’ny fahitalavitra tsy miankina iray izay naka sary teny an-toerana. Antso vonjy manoloana ny fahatsapana fahasahiranana lalina sy lalaon’ireo mpanao politika no nataon’ireto olona teny Analakely ireto omaly, nefa dia izao tratry ny fampibaribariana ny tsy fisian’ny fahalalahana izao izy ireo. Ireto mpitarika ireto izay nanamarika fa tsy tokony ho toy izao intsony no iainan’ny vahoaka fa efa ny fiovana izay notakiana hatramin’ny 2009. Ninian’ireo mpitondra tetezamita nitaky ny fanovana tamin’izany fotoana izany natao tsinontsinona tokoa ny vahoaka nanohana azy ankehitriny, ary dia hitsahina sy tsipahana mihitsy aza raha ity tranga omaly teo amin’ny Esplanade ity no jerena.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT