Anio amin’ny alalan’ny fandehanana eny Ambohimangakely sy Ankadikely Ilafy no hamaranan’ny fikambanana Vahoaka Ihany tarihan’ny filohany Ravelonanosy Andriantefy Bruno ny fitsidihana an’ireo Kaominina 14 ao amin’ny Distrikan’Avaradrano.
Fandraisana ireo asa ifotony nangatahan’ny vahoaka no natao tamin’izany. Anisan’izay niavaka indrindra ny fitsidihana teny Sabotsy Namehana omaly, nanolorana loka manokana ho an’ireo kilonga nanao fifaninanana sary, fanolorana zezika 500 kg ho an’ny mpamboly, ny fanolorana amboara sy ondry ho an’ny ekipa nandresy tamin’ny «Tounoi Vahoaka Ihany» sy akanjo filalaovana baolina kitra sy rugby ny tanora, ny fanolorana vatsy an’ireo zokiolona dia nahazo ny anjara fanampiana manokana sady niavaka avy amin’Atoa Ravelonanosy Bati mivady ny EPP Atsimontsena ao Sabotsy Namehana. Hatsaraina manontolo ny trano fianarana rehetra ao amin’ity sekoly ity na atiny na ivelany, amboarina koa ny dabilio simba rehetra ary hosoloina vaovao izay tena tsy avotra intsony. Hojeren’ity filohan’ny fikambanana ity sady kandidà ho solombavambahoaka eny Avaradrano ity koa ny mpampianatra FRAM amin’izao ankatoky ny fety izao ary ny farany nefa tsy kely indrindra dia tonga nanao dadabe Noely teny amin’ity EPP ity Atoa Ravelonanosy Bruno ka nizara kilalao ho an’ireo mpianatra niisa 978 ao amin’ity sekoly ity. Tsotra ny anton’izany rehetra izany, hoy Atoa Bati : «tsy vitan’ny tsetsetra intsony ny fijerena ny fahoriam-bahoaka fa tanterahina avy hatrany izay azo atao aminy”. Fotoana tsy misy ohatra izao intsony raha fitsinjovana vahoaka no resahina ary rehefa manao dia tonga dia atao na tsy manao mihitsy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.