Nasiam-panavaozana tanteraka ny sekoly ambaratonga fototra faharoa etsy Antanimena.
Vokatry ny ezaky ny fikambanam-behivavy « Inner Wheel International tafiditra ao anatin’ny fanatanterahan’izy ireo ny tetikasany entina hitsinjovana ireo ankizy tena sahirana izany, niarahany tamin’ny fikambanana Rotary Club Tsimbaroa. Miisa 700 ankehitriny ny mpianatra manovo fahalalana ao amin’ity sekoly ity, miparitaka amina efitrano miisa fito. Efa tena ratsy tanteraka anefa ireo efitranon-tsekoly ireo, antony hanohanan’ireo orinasa maro isan-karazany amin’ny fanavaozana azy ka anisan’ireny ny orinasa Star. Ankoatra izay dia mbola nanolotra dabilio miisa 120 ho an’ity sekoly ity ihany koa ny orinasa Star hahafahan’ny mpianatra mianatra milamina anaty fitaovana ara-dalàna. Tsiahivina fa anisan’ireo mpianatra tena mahay eto an-drenivohitra ireo manovo fahalalana ao amin’ity sekoly ambaratonga fototra iray ity. Mihatsara hatrany mantsy ny voka-panadinana isan-taona, antony nanosika ny orinasa star hanohana azy ireo. Tamin’ny taom-pianarana 2012-2013 teo, ohatra, dia nahatratra hatrany amin’ny 77 % ny voka-panadinana CEPE. Niakatra ho 80 % izany ny taom-pianarana 2014-2015 raha mety hahatratra hatrany amin’ny 82 % amin’ity taom-pianarana ity raha araka ny fanamby napetraky ny mpianatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.