Mpianatra miisa 208 ao amin’ny kilasy voalohany eny amin’ny ENAM Androhibe no niatrika ny atrikasa fanentanana nataon’ny Bianco, mahakasika ny ady amin’ny kolikoly, omaly maraina, teny amin’ny foiben’ny ENAM eny Androhibe.
Tafiditra ao amin’ny fandaharan’asam-panabeazana ataon’ny Bianco izao, ary efa atao isan-taona. Tanjona ny hananan’ireto mpianatra ireto ny toe-tsaina manda kolikoly sy mandala ny fahitsiana ary ny fahamarinana, ka hiasa madio rehefa eny am-perinasa. Ireto mpianatra ireto dia hofanina ho tonga mpiasam-panjakana ambony rahampitso ka tokony hanana toetra mendrika mifanandrify amin’izany.“Mino izahay Bianco fa noho ny fahaizanareo no nahatonga anareo eto amin’ity toerana ity. Faniriana ny haha olom-banona anareo ka ho mpiasam-panjakana ambony mendrika ny fahatokisan’ny vahoaka”, hoy ny fanamarihana nataon’ny Talem-paritry ny Bianco eto Antananarivo, Atoa Ratovoson Benjamin. Fotoana ihany koa nanentanan’ny Bianco ireto mpianatra ireto mba hifanome tanana hiady amin’ny kolikoly satria andraikitry ny daholobe izany.
Tafiditra ao amin’ny taranja hianaran’izy ireo rahateo ny “Fanjakana tsara tantana sy fitantanana madio”. Novoaboasana tamin’izy ireo ny karazana kolikoly misy sy ny fomba fisehony eny amin’ny sehatra isan’ambaratongany avy. Tsy nionona fotsiny tamin’ny famelabelaran-kevitra moa ny fihaonana omaly fa nisy ihany koa ny fotoana nahafahan’ireo mpianatra nametraka fanontaniana tamin’ireo tompon’andraikitry ny Bianco nitarika ny fotoana. Teo ihany koa ny fanentanana nataon’ireo solontenan’ny “Réseau d’Honnêteté et d’Intègrité”n’ny Liseam-panjakana eto Antananarivo ho an’ireto zokiny eny amin’ny ENAM ireto.
Nahaliana ny mpianatra ny famelabelaran-kevitra natao. Tsiahivina moa fa ny alatsinainy teo ny fanombohan’ny fampianarana tamin’ny fomba ofisialy ao amin’ny ENAM.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.