Actualités

Emmo-Reg Tsy nisy fanafihana mitam-basy, hono


  • Talata 03 Janoary 2012

Anisan'ny nanamarika ny faran'ny taona 2011 sy ny fiandohan'ny 2012 ny vaovao navoakan'ny avy amin'ny Emmo-Reg eny Ankadilalana omaly.

 Fantatra fa nilamina ny tato anatin'ny faritanin'Antananarivo nandritra ny roa andro, izany hoe ny sabotsy faran'ny taona sy ny alahady. Nilamina tanteraka, araka izany, ny mponina ary afaka nanao fety tamin-kalalahana avokoa raha ity loharanom-baovao avy amin'ny zandary etsy Ankadilalana ity. Tsy nisy ny fanafihana mitam-basy na ny fanafihan-dahalo tany ambanivohitra satria nilaza izy ireo fa tsy naharay tatitra mikasika izany. Ho hita eo ihany ny fivoaran’ny vaovao raha toa ka tena tsy nisy tokoa izay fanafihana izay na izy ireo ihany koa no tsy afa-niasa firy fa samy nanao fety ihany koa na ny zandary aza. Ny nahavarina anefa dia nahazo tatitra mikasika lozam-pifamoivoizana nahitana fahasimbana madinika ihany anefa ireo zandary avy any amin'ny faritra hafa.
Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT