Ecole Normale Supérieure

> Miroso amin’ny rafitra LMD


  • Sabotsy 09 Novambra 2013

Nanomboka omaly zoma 08 ary hifarana anio sabotsy 09 novambra 2013 ny varavarana misokatra ho fampahafantarana ireo rehetra liana mikasika ny rafi-pampianarana LMD na Licence-Master-Doctorat eny amin’ny Ecole Normale Supérieure Ampefiloha.

Fiovana goavana tokoa satria na ny voambolana fampiasa mikasika ireo sampam-pampianarana miaraka amin’ny lalàm-piofanana sy ireo taranja hatrehina, na ny fomba fampitana ny fampianarana hataon’ireo mpampianatra mankany amin’ny mpianatra, na ny fotoana hianarana dia voafetra sy voarefy avokoa. Efa nahazo ny antsoina hoe «habilitation» na ny fahafahana mampihatra io rafi-pampianarana vaovao ekena manerantany io ny ENS Ampefiloha, hoy ny taleny, ny profesora Andrianarimanana Jean Claude Omer. Mitsinjara ho 5, ohatra, ny sampam-pampianarana EAD na Enseignement, Apprentissage et Didactique raha ahitana lalàm-piofanana miisa 14 ao amin’ity sekoly ambony mamolavola mpampianatra sy tompon’andraikitra manampahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ity. Raha momba ny faharetan’ny fampiofanana indray dia maharitra enim-bolana 6 ny fahazoana maripahaizana na grady «Licence», miampy enim-bolana 4 io dia mahazo grady «Master» ary mila mihoatra ny 8 taona kosa ny fahazoana maripahaizana na grady «Doctorat». Ankoatra ny fisokafan’ny fifaninanana fidirana taona voalohany ao amin’ny ENS amin’ity taom-pianarana 2013-2014 izay hotanterahana ny 08 sy 09 janoary ny fanadinana an-tsoratra dia hisokatra amin’io taona 2014 ho avy ihany koa ny fampiofanana fampitan-davitra andoavam-bola. Tanjona manaraka, hoy ny talen’ny sekoly, ny hahazoana ny antsoina hoe «accréditation» na fankatoavana avy amin’ny ministera mpiahy sy ireo sekoly rehetra avy eto an-toerana sy avy any ivelany.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT