ECF SADC

> Manantena ny CENI-T ara-dalŕna hanatevin-daharana azy


  • Alatsinainy 23 Desambra 2013


Nihatsara kokoa ny fanomanana sy ny fikarakarana ary ny fizotran’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa niaraka tamin’ny fifidianana solombavam-bahoaka notanterahana ny zoma 20 desambra lasa teo, hoy ny “Electoral Commission Forum of SADC Countries” tamin’ny tatitra savaranonando navoakany ny sabotsy 21 desambra 2013 hariva teo teny amin’ny hotely Mellis Tsaralalana. Mbola misy anefa ireo lesoka tsikaritra tamin’ny andraikitra nosahanin’ny Vaomirema-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita toy ny fampitàna ny tena anjara asan’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato amin’ny maha-tompon’andraikitra voalohany azy, ny tsy fahampian’ireo toromarika sy ireo torolàlana avy amin’ireo mpikambana tao amin’ny birao fandatsaham-bato nomena ireo mpifidy na koa ny fomba nentina namenoana ireo fitanana an-tsoratra izay tokony ho nitovy daholo. Nandray ny andraikiny tokoa ny olom-pirenena Malagasy izay tonga nandatsa-bato, hoy ny fanampim-panazavana ka mendrika ny hiala ao anatin’ny krizy izay niainany tao anatin’ny tetezamita. Mino sy miandrandra ny famoahan’ny CENI-T sy ny CES ny tena voka-pifidianana marina, mangarahara ary itokisan’ny vahoaka Malagasy ny ECF SADC. Manantena ihany koa ireo mpikambana ao aminy ahitana an’i Angola, Repoblika Demokratikan’i Congo, Lesotho, Malawi, Namibie ary Repoblikan’i Afrika Atsimo fa hanatevin-daharana tsy ho ela amin’ny adidy goavana fanaraha-maso ny fifidianana ny Vaomieram-pirenena Malagasy misahana ny fifidianana amin’ny endriny vaovao mifanaraka amin’ny lalàna.

 

Ramano F. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT