Dr Vanovason Jean Adrien

> “Ny fifampiresahana ihany no mahavaha olana”


  • Alarobia 29 Janoary 2014

Mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita nitana ny toeran’ny Kestora faha-II tao amin’ny Kongresy Tsimbazaza fony Raharinaivo Andrianatoandro filoha, ka hatramin’izao fiafaran’ity rafitra ity izao i Dr Vanovason Jean Adrien.

Tsy avy amin’ny firehan’ny antoko teo amin’ny fitondrana ny tenany fa tao anatin’ny TIM elatra Raharinaivo nefa dia naharitra teo amin’ity toerana ity. Tsy nihetsika teto ny tenako, hoy izy, satria olon’ny fifampiresahana aho, dokotera nifanerasera betsaka tamin’ny vahoaka ifotony no niandraikitra ny «fifaneraserana amin’ny daholobe teto amin’ity Kongresin’ny tetezamita ity ka nifanandrify tsara tamin’ny zavatra nanavanana ahy sy tiako ihany koa izany ka mora tamiko ny nifandray tamin’ireo namana rehetra na dia samy tsy mitovy firehana avokoa aza ny ankamaroan’ny tato. Izaho rahateo zatra nifandray tamin’ny namana tany amin’ny kilasimandry sy nitarika namana teny amin’ny Cité teny Ankatso. Mbola manam-paniriana hanohy ny vita teto aho sady nanana toerana tsara tamin’ny fifidianana ho solombavambahoaka farany teo». Ny resaka fiaraha-mitantana dia tsy maintsy narahina iny ho fandrindrana ny fiarahamonina fa rehefa aty amin’ny fitondrana Repoblika kosa dia misy ny mpandrindra voafidy mazava ka tsy maintsy mijoro ho arofanina ny mpanohitra ao anatin’izany. Tokony hijoro amin’ny fiandrianam-pirenena kosa amin’izay isika, hoy ny kestora Vanovason. Raha ny resaka fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia tsy manana olana amin’izany raha ny tenako manokana, hoy izy, fa hoe ireo mpitandro ny filaminana no misalasala amin’ny fitandroana ny filaminana eo amin’ny fahatongavany an-tanindrazana. Izaho mino fa tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana mazava eo amin’ny ankolafin-kery rehetra no ahitana vahaolana amin’izany. Tahaka izany koa ny amin’ny famoahana ireo gadra politika sy famohana ireo haino aman-jery nakatona tao anatin’izay dimy taona izay.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT