Tapaka teny Alarobia omaly, nandritra ny fivoriana niarahan’ny tompon’andraikitry ny CENI-T sy ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana ary natrehin’ny kandida na ny solontenany, fa dia homena mpiambina manokana manao fanamiana ombam-pitaovana miisa 15 lahy avy ireo kandida roalahy hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa dia ny Dokotera Robinson Jean Louis sy Hery Rajaonarimampianina, ka 5 zandary, 5 miaramila ary 5 polisy. Manolona ireo feo mandeha fa misy fikasana hifofo ny ain’ireo kandida, sy mikendry ny tsy hahavanona ny fifidianana no nandraisana ny fepetra, dimy andro aty aorian’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra. Araka ny fanazavan’ny minisitry ny foloalindahy ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien fa dia ny ministera no miantoka ny fanendrena ireo olona ireo, izay nofanina sy manana traikefa amin’ny fiambenana olo-manankaja sy mpitondra ambony. Hentitra ity minisitra ity nilaza fa dia mikisaka avokoa izay olona tsy ao anatin’ireo miaramila hotendrena ireo. Tokony ho anio ihany, dia efa vonona ireo mpiambina manokana ireo ary hisahana manontolo ny fiarovana ireo kandida ireo hatramin’ny fiavoahan’ny voka-pifidianana, araka ny fanampim-panazavan’i Fano Rakotondrazaka, mpampakatenin’ny CENI-T. Niatrika ity fivoriana ity ny kandida Hery Rajaonarimampianina, solontena kosa ny an’ny Dr Robinson.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.