Dr Robinson Jean Louis

> Hanatsara ny fahasalamam-bahoaka


  • Alatsinainy 02 Desambra 2013

Nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny SIDA omaly alahady 1 desambra no nanambaran’ny Dr Robinson Jean Louis fa nitotongana ny lafiny ara-pahasalamana nandritra ny fitondrana tetezamita.

Nohazavainy ary fa maherin’ny 25 tapitrisa ny olona matin’ny aretina SIDA teo anelanelan’ny taona 1981 sy 2007. Amin’ny maha mpitsabo ahy, hoy ny Dr Robinson Jean Louis dia nanaitra ahy ny tatitra nataon’ny Banky Iraisam-pirenena fa hatramin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, dia olona iray ao anatin’ny efatra izay tratry ny aretina no tsy nanatona toeram-pitsaboana noho ny antony ara-bola. Tena izany no zava-mitranga satria lafo ny fanafody ary ny ankamaroan’ny olona dia tsy manana fahefa-mividy hahazo azy ireny. Noho izany indrindra no nilazan’ny Dr Robinson fa rehefa tsy misy fitoniana ara-politika, dia matetika ny resaka fitsaboana no mitondra faisana voalohany. Tsy maintsy ataontsika ny hamerenana fitoniana ara-politika eto Madagasikara, hoy izy. Ny fananana drafitra ara-pahasalamana ara-dalàna no azo antoka fa hanampy antsika hanarenana ny firenena. Ny fanakatonan’i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina ny tobim-pahasalamana miisa 400 dia fanapahan-kevitra tsy mitombina no sady famonoan’olona tsotra izao. Mampanantena aho , hoy ny Dr Robinson fa hampitombo ny isan’ny tobim-pahasalamana manerana ny Nosy ary hampiroborobo ny lafiny ara-pahasalamana mba hahafahan’ny olona rehetra mahazo ny fitsaboana izay ilainy”.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT