Vahinin’ny gazety Tia Tanindrazana, ny Dr Ratefinanahary Emile, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Vazaha. Mpikambana sady lohandohan’ny mpitarika ao amin’ny GTT (Gasy Tia Tanindrazana) any Frantsa sy eoropa izy, mitondra ny fomba fahitan’izy ireo ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, araka izao dinidinika manaraka izao.
Tia Tanindrazana (T.T) : Mangingina ny ianareo GTT (Gasy Tia Tanindrazana) tato ho ato, inona no antony ?Dr Ratefinanahary Emile (R.E) : Teo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena dia nandray anjara tamin’ny tolona ho famerenana ny ara-dalàna ny GTT hatramin’ny volana martsa 2009. Ny sehatra izay misy azy sy tena nifantohan’ny asany dia ny tany ivelan’i Madagasikara, izany hoe : ny fampahafantarana ny zava-misy amin’ny firenena sy ny fifandraisana tamin’ireo sehatra rehetra iraisam-pirenena. Ny fomba fiasa amin’izany sehatra izany dia mila fahamatorana sy tsy fisehosehoana mialoha fa matoa nisy ireny vokatra azo tamin’ireo sehatra iraisam-pirenena, toy ny Parlement Eoropeanina, Vondrona Eoropeanina, Firenena Mikambana (tsy nahazoan’ny HAT nandray fitenenana), ACP-UE…, ary farany teo mikasika ny zon’olombelona tany Genève sy ny Vondrona Afrikanina ary ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina dia vokatr’izany asa nataon’i GTT izany. Ary amin’izao fotoana izao dia mitohy hatrany izany asa izany. Izahay koa dia miara-miasa amin’ny mpiaro ny ara-dalàna aty an-tanindrazana amin’ny sehatra ara-tsosialy.
TT : Voatonontonona ho mitsabaka amin’ny raharaham-pirenena, ary mahatonga izao fikatsoan’ny famahana ny krizy izao ny Frantsay, ny fahitanareo izany ?
R.E : Tsy mila karohina akory izany fa dia tena mibaribary fantatr’izao tontolo izao. Ireto misy santionany vitsivitsy : fampiantranoana an’i Andry Rajoelina tao amin’ny ‘Résidence de France’, fahatongavan’i Jean-Marc Châtaigner, Ambasadaoro frantsay ny ampitson’ny fandrondanam-pahefana, ireo delegasiona tany amin’ireo fihaonana nokarakarain’ny GIC dia nahita ny nataon’ilay Rtoa irak’i Lafrantsa. Ny tsara ho marihina anefa dia tsy ny vahoaka na ny Frantsay rehetra no tafiditra amin’io ary tsy eto amintsika ihany fa manerana ireo firenena nozanahany tany aloha dia itrangan’izany avokoa.
T.T : Mihamitoka-monina i Madagasikara ankehitriny, manana andraikitra amin’izany ireo ambasadaoro malagasy any ivelany any, araka ny filazan’ny "Autorité de fait". Ny hevitrareo ?
R.E : Efa izay ny fomba amam-panaon’i Andry Rajoelina, inoako fa tadidintsika tsara raha mbola Ben’ny Tanàna izy dia ny manilika hatrany amin’ny hafa ny antony tsy fahombiazany.
T.T : Tondroin’ny HAT ho mpiantso sazy ho an’ny Malagasy ny GTT sy ny filoha Ravalomanana, manan-kambara amin’izany ve ianareo ?
R.E : Ny GTT dia efa hatry ny ela no nanambara fa ny vahoaka sy ny firenena no tena hijaly vokatr’izao tsy filaminana eto amin’ny firenena izao. Ohatra akaiky amin’izany dia raha nanome fotoana farany ny AGOA dia nilaza izahay hoe vahao ny olana, dia inona no navalin’ny HAT izany : ho solointsika hafa ireo izay lasa. Ary ny filoha Ravalomanana dia niaraha-nahita ny taratasy nataony ho an’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina (CPS-UA) talohan’ny fivorian’izy ireo tamin’ny faha-18 sy 19 febroary lasa teo izay nilaza mazava tsara fa mangataka izy mba tsy ny vahoaka sy ny firenena no hahazo ny sazy fa izay tompon’andraikitra amin’ny fikatsoana.
T.T : Hanao atrikasa eny Ivato ny HAT amin’ny 4 sy 5 martsa, hamaritana ny tetiandron’ny fifidianana sy ny tondrozotra na "feuille de route" ny tetezamita, hidirana amin’ny Repoblika faha-4. Handefa solontena handray anjara amin’izany ve ianareo?
R.E : Tsy kilalao akory ny firenena, impiry moa izay no nanao atrikasa ny FAT, fa na iray aza ve mbola nisy nampihariny? Ny zavatra nataony sonia aza tsy tanterahany koa izay fihaonana hiarahany amin’ireo mpomba azy ve hasiany dikany akory, tsy mino izany ny tenako.
Ary etoana aho dia mametra-panontaniana manao hoe: tena i Andry Rajoelina tokoa ve no mahatapa-kahitra amin’io FAT io ? Izao koa izao vao naheno izahay fa hanatrika ilay fihaonana hatao any Addis-Abeba amin’ny faha 8,9 ary 10 volana martsa izao ny tenany, koa dia ho lany andro daholo fotsiny izay rehetra manatrika io ary dia fandaniam-bolam-panjakana fotsiny io.
T.T : Sahirana ny Malagasy, mitombo an’isa andro aman’alina ny tsy an’asa, manjaka ny tsy fandriampahalemana, manana vahaolana mazava hamaranana izao krizy izao ve ny GTT ?
R.E : Ho ahy manokana dia toy ny vay an-kandrina izy ity sady maharary no mahamenatra, amin’ny maha olom-pirenena dia tsy afaka hitazam-potsiny izao fikatsoan’ny firenena izao sy ny fijalian’ny vahoaka Malagasy ny tena, izany no antony andraisana andraikitra sy itadiavana vahaolana ho entina hamahana ny krizy. Raha hanao jery todika fohy ny tantara isika hatrizay nahaleovan-tena izay dia nisy korontana hatrany no niovan’ny mpitondra ary miverimberina ilay izy : 20 taona tamin’ny voalohany (1972-1991), 10 taona (1991-2001), ary 7 taona ity farany ity (2002-2009). Izany hoe mihafohy ny fitrangany fa ny krizy kosa dia mihalava vao mivaha. Raha telo volana, dimy volana, fito volana, dia izao efa herintaona mahery tsy voavaha. Noho izany dia mihalalim-paka ny olana misy ka tsy maintsy fongorana hatrany amin’ny fakany ny fototry ny olana raha tiana tsy hiverina intsony ka hilamina ny firenena mba hisian’ny fandrosoana tena izy.
Ny vahaolana voalohany izany dia ny fandraisan’ny rehetra anjara sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra, faharoa dia ny fifamelan-keloka nasionaly. Efa dingana mankany amin’izany ny “Charte de valeurs” sy ireo Fifanarahana politika tany Maputo. Ny GTT dia manana fanamby ho fanampiana ny firenena amin’ny fametrahana ny demokrasia, fitandrovana ny zon’olombelona, fametrahana fanjakana tan-dalàna ary ny fanabezana ny mpiara-monina amin’ny lafiny ara-politika, ekonomika, sosialy, kolotoraly, fahasalamana.
T.T : Misy zavatra hafa tianareo hambara hamaranana ny tafatafatsika ve ?
R.E : Eto izahay dia manao antso avo amin’ny Vahoaka Malagasy tsy vakivolo, ireo Raiamandreny am-panahy, ny mpanao politika, ny miaramila, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpandraharaha, sns, hanao izay tratry ny heriny avy hahatanteraka ireo dingana izay efa nifanarahana sy hamongotra hatrany amin’ny fakany ny olana misy eto amin’ny firenena.
Aoka haseho amin’ny asa ilay filazana fa tena Tia Tanindrazana tokoa, satria anie dia mbola samy ho tsarain’ny tantara sy ny dimby sy fara eto isika mianakavy any aoriana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.