Dr Ramananarivo Miharisoa

> Nanokatra toerana hifaneraserana amin’ny vahoakan’Ambohimanarina


  • Zoma 15 Novambra 2013

Mba ahafahany mifanerasera amin’ireo vahoakan’ny Boriborintany faha-6 izay hirotsahany hofidiana solombavambahoaka dia nitokana ny foibeny etsy Ambohimanandray ny Dr Ramananarivo Miharisoa sy ireo mpiara-miasa aminy omaly antoandro.

Tsy ho amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ihany anefa no hisian’izay fifaneraserana izay fa heveriny fa hatramin’ny fotoana izay ahalaniany ho solombavambahoaka ihany koa. Raha toa ka lany mantsy ny tenany dia efa manana toeran-kafa handraisany sy hihainoany ny vahoakan’Ambohimanarina izy. Tsy mitaky sandany anefa izy amin’izany fampandrosoana an’Ambohimanarina izany satria nambarany fa atolony ho sandan’ny rano ao amin’ireo Fokontany 31 ao anatin’ny Boriborintany faha-6 ny tambin-karama horaisina raha toa ka ho lany izy. Tsy olom-baovao amin’iny faritra iny raha teo ny tenany fa efa maro ihany ireo havana akaiky azy no nitana andraikitra tahaka ny Ben’ny tanàna na koa sefom-pokontany teny an-toerana.

 

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT