Dr Rakotomanana Gervais

> “Dr Robinson no vahaolan’ny krizy”


  • Talata 17 Desambra 2013

Niseho sehatra ny CST Dr Rakotomnanana Gervais, nandritra ny fandalovan’ny kandida Robinson tao Toamasina ny zoma lasa teo.

Nandritra izay no nisoloany tena ny vahoakan’i Toamasina ka nitondrany ny hafatra mikasika ny zavatra iainany isan’andro. Nambarany fa “mila mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena isika mba hahafahantsika mitondra ny fampandrosoana eto amin’ny firenena ”. Ny tanjontsika, hoy izy, dia ho lany amin’ny isam-bato miavaka ny kandidantsika Dr Robinson Jean Louis, hifaranan’ny krizy. Nisy ny fangatahana nampitondrain’ny vahoaka an’ny kandida Rakotomanana Gervais nampitaina tamin’i Dr Robinson, anisan’ireny ny momba ny asa ho an’ny tanora. Nasiany resaka koa ny momba ireo tatsambo Malagasy izay mijaly noho ny ataon’ny orinasa an-dranomasina vahiny. Tsy adinon’ny Dr Rakotomanana Gervais ihany koa ny hametrahana an’i Toamasina amin’ny maha kapitaly ekonomika azy. Avy hatrany dia novalian’ny kandida Robinson avokoa ireo fangatahan’ny vahoakan’i Toamasina ireo, izay mbola nohamafisiny fa lohalaharana amintsika izao ny fampihavanam-pirenena, ny fanjakana tsara tantana, ny fampiharana amin’ny tena izy ny demokrasia, ary ny fampodiana ireo sesitany politika, indrindra Atoa Marc Ravalomanana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT