Dr Rakotomanana Gervais

> Dr Robinson Jean Louis no fototry ny fandrosoana eto


  • Alarobia 04 Desambra 2013

Hanao izay hampandaniana ny kandida Dr Robinson Jean Louis ao Toamasina renivohitra ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, Dr Rakotomanana Gervais.

Niatomboka tao Ankirihiry ny hetsika fanentanana notarihiny ny sabotsy 01 desambra teo sady nitondra vahaolana avy hatrany manoloana ireo fangatahana voarany hanatsarana ny sosialim-bahoaka. Omaly tolakandro indray dia nidina ifotony tao Andranomadio izy sy ny ekipany nitondra simenitra, fasika, entina hanamboarana tetezana miisa roa izay tena manahirana ny mponina rehefa avy toy izao ny orana. Nandritra izany no niantsoany ny vahoakan’i Toamasina hifidy ny Dr Robinson Jean Louis satria ity kandida ity ihany, hoy izy, no hiantoka ny tena fampandrosoana marina eto amin'ny firenena sy antoky ny fialana tanteraka ao anatin'ny krizy vokatry ny fanonganam-panjakana teto. Ny fametrahantsika fitokisana ny kandida Dr Robinson Jean Louis no vahaolan’ny fahoriantsika, hoy hatrany ity CST avy amin'ny ankolafy Ravalomanana ity. Hitohy amin’ny Fokontany maro ny hetsika ataony.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT