Dr Miharisoa Ramanarivo

> Asa avy hatrany


  • Sabotsy 30 Novambra 2013

Tsy niandriandry ny Dr Miharisoa sy ny mpiara-miasa aminy fa avy hatrany dia nanatanteraka ilay fanamby napetrany dia ny hanasoa ny faritr’Ambohimanarina sy ny Boriborintany faha-6.

Fanoloana takamoa ho an’ireo andrinjiro mba hanazava ny tanàna sy fanadiovana ny lakandranon’Ankazomanga Atsimo no nisantarany ny fampielezan-kevitra omaly. Miisa 55 ireo olona mandray anjara amin’io fanadiovana lakandrano io, izay marihana fa efa ho 5 taona izao tsy nisy nanadio intsony. “Hetsika avy hatrany dia misy akony mivantana any amin’ny vahoaka tahaka izao no fanaonay ary mbola hataonay”, hoy ny kandida fa tsy resaka tolotolotra vokatry ny fitiavana hahazo seza akory. Efa maro tokoa mantsy na fony izy mbola tsy nikasa ny ho solombavambahoaka ny asa fanasoavana ny mpiara-monina izay nataon’ny Dr Miharisoa raha tsy hilaza ny fitsaboana ireo aretina sy fanolorana fanafody maimaimpoana fotsiny ihany. Nitohy tamin’ny fihainoana ny hetahetan’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifampikasohana mivantana aminy moa ny andron’ny omaly.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT