Dr Elie Rasoanaivo

> Mpitondra tenin’ny tanora


  • Sabotsy 16 Novambra 2013

Namaly ny antso nataon’ny tanora avy ao amin’ny Kaominina Manakambahiny Andrefana azy ny herinandro lasa teo ny solombavambahoaka teo aloha dokotera Elie Rasoanaivo.

Mahatsiaro mijaly ireo tanora ao amin’ity Kaominina ity noho ny faharatsian’ny kianja sy ny tsy fahampian’ny fitaovana entina miatrika fifaninanana. Miisa sivy ireo klioban’ny baolina kitra any an-toerana izay samy naneho ny hetahetany tamin’ity solombavambahoaka teo aloha ity. Tsy mba manana Raiamandreny mpiahy izahay, hoy ireo tanora, fa ny fitiavanay ny baolina kitra no mandrisika anay hanao io taranja io. Olana hitovizan’ireo klioba ny tsy fananana baolina hanaovana fanazaran-tena. Eo ihany koa ny mahakasika ny tsatokazo izay misy mangalatra rehefa vanim-potoan’ny fahavaratra ka zary mijaly izy ireo rehefa hanao fifaninanana. Mpitondra ny teninay ianao, hoy izy ireo ka manantena izahay fa hivaha io olana mianjady aminay io. Efa fantatro ny vesatra mahazo ny klioban’ny baolina, hoy ny dokotera Elie satria efa nitantana klioba ny tenako. Anjara biriky kely mba raisiko, hoy izy dia manolotra fitaovana ara-panatanjahantena ho anareo aho. Velom-pisaorana ity solombavambahoaka teo aloha ity ny tanora mpanao baolina any Manakambahiny Andrefana sy ny manodidina ary nirary soa azy ho tonga amin’ny andraikitra tiany hanasoavana ny Distrikan’Ambatondrazaka.

 

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT