malagasy mikasika ny teny sy tekinolojia»
65 taona toy ny taona niorenan’ny oniversiten’Antananarivo ny taona niorenan’ny zanantsehatra malagasy eo anivon’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siantsa mahaolona eo anivon’ity oniversitem-panjakàna eny Ankatso ity, hoy ny talen’izany zanatsehatra izany, Dr Daniel Rajoelson. Azo lazaina ho mbola zandriny indrindra, noho izany, hoy izy, ny fikarohana momba ny teny malagasy mitaha amin’ny an’ireo tandrefana saingy mihazakazaka koa nefa ny fikarohana malagasy mikasika ny teny malagasy sy fitaovana ara-tekinolojia rehetra amin’izao fotoana izao. Misy ny hoe «malagasy informatisé». Misy ny «teny malagasy ara-kajy mirindra» sy ny maro samihafa. Heverina nefa fa tsy tsara ny mirotoroto loatra fa ny maha maika dia ny hoe mifandray amin’ny mpampiasa ny teny, mampandroso ny fikarohana. Mbola misy elanelana kely izao, ohatra, eo amin’ny sehatry ny mpikaroka rehetra momba ny teny. Antsoina amin’ny ankapobeny hoe «ilontsaina artifisialy» izao, ohatra, ny «intelligence artificielle». Ny «la table» koa nadika hoe «latabatra». An-dalam-piforonana hatrany io teny malagasy io. Isan’ny sosokevitra heno izao ny hoe tokony «ilontsaina amboarina» fa tsy «ilontsaina artifisialy» izany ka ny zanatsehatra malagasy dia toeram-pampianarana ny haiteny sy haisoratra malagasy ka tokony hanana ny toerany eo amin’ny fampandrosoana ny firenena sy fampandehanana ny oniversite, raha omena lanja hatrany amin’ny lalàmpanorenana manoloana ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao mba ho teny ampiasain’ny rehetra, araka ny lohahevitra noraisina voalohany indrindra nentina nanamarika izao andro iraisampirenena ho an’ny tenindreny izao tamin’ny roa taona lasa hoe «Teny malagasy, ahefan-draharaha». Tokony ampiasaina amin’ny sehatra rehetra izany io, fara faharatsiny, any amin’ny zaza madinika. Tsy maintsy mahay ny tenin’ny firenen-kafa isika mba tsy hiolonolonana fa ny hampandroso antsika dia ny fampanarahana ny teny malagasy! Io tsinona no mifanandrify amin’ny toetsaina malagasy. Ny firafitry ny fehezanteny fotsiny, ohatra, «Sujet, verbe, complément» ny an’ny frantsay. Izay no mifanandrify amin’ny rafi-tsainy, raha toa «Lazaina, enti-milaza, fameno» ny an’ny malagasy. Tsy teny fotsiny ny teny malagasy fa teny miaraka amin’ny fanahy ao anatiny. Ny fiforonan’ny teny dia miainga amina fifanarahana. Mihevitra ny hanangana boky kely itehirizana ireo fiovàna teny samihafa izao ny ITAZOMA na «Ivon-toeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary ny olona malagasy» satria tamin’ny 10 taona lasa, ohatra, «tenin-dreny» misaraka no fanoratra. Izao lasa «tenindreny» mikambana. Taloha nisy ny hoe «samy hafa» misaraka sy «samihafa» mitambatra. Izao misy mpikaroka milaza fa mitambatra foana no fanoratra azy io na resaka karazana na resaka sokajy. «Teny malagasy ahavitan-draharaham-pikarohana» no lohahevitra noraisina tamin’ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny tenindreny tamin’ity taona ity. Nanasa mpikaroka avy amina zanatsehatra samihafa toy ny tao amin’ny matematika sy tantara ihany koa ny zanatsehatra malagasy tamin’ity taona ity namahavaha ny mety maha marina na diso izay petrakevitra izay. Raha ny hita tamin’ny ankapobeny dia miombon-kevitra ny rehetra fa ilaina amin’ny fikarohana ny teny malagasy. Misy fepetra tsy maintsy takiana nefa toy ny fahafehezana ny famoronana ireo voambolana ilaina amin’ny fikarohana atao sy ny fanapariahana ny voka-pikarohana amin’ny sehatra iray amin’ny firenena iray mba hahatonga izany vokatra izany ho azo ampiasaina, hoy hatrany ny tenany. Notontosaina tanatin’ny 2 andro, nanomboka 20 febroary teo, teny ankatso, moa ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny tenindreny, izay tafiditra ihany koa amin’ny fankalazàna ny faha 100 taonan’ny Profesora Siméon Rajaona, mpampianatra mpikaroka nanokatra ny oniversiten’Antananarivo.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.