Dokotera Elie sy ny ekipany

> Mametraka fanamby hampandroso an’Ambatondrazaka


  • Zoma 29 Novambra 2013

Laharam-pahamehan’ny kandida solombavambahoaka atolotry ny fikambanana Andrin’i Madagasikara ao amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka, ny dokotera Rasoanaivo Elie sy ny ekipany, ny fanampiana ny mponina amin’ireo zavatra manahirana azy.

Izy ireo izay mametraka fa tokony homena lanja ny fahasalamam-bahoaka. Rehefa salama ny vatana dia afaka mamokatra sy mihary ao anatin’ny fahavitrihana ny mponina. Rehefa misy ny sakafo dia mazoto mianatra ny kilonga ka lasa olombanona sy reharehan’ny faritra. Mandroso ny Distrikan’Ambatondrazaka raha tanteraka ireo. Fanambin’ny dokotera Elie ny hametraka ny Distrikan’Ambatondrazaka amin’ny toerana sahaza azy sy ho filamatra amin’ny fampandrosoana. Mitaona ny vahoaka rehetra ao Ambatondrazaka hahay hisafidy izay olona mendrika hitondra ny feony ny dokotera Rasoanaivo Elie, kandida laharana faha-21 ao anatin’ny biletà tokana. Vonona hitondra ny feon’ny rehetra ity kandida ity, indrindra ny tantsaha izay ao anatin’ny fahasahiranana amin’izao fotoana izao noho ny tsy fisiana sy ny tsy fandriampahalemana. Kandida anisan’ny akaiky ny vahoaka ao Ambatondrazaka ny dokotera Elie. Hetsika lehibe no hoentiny hanokafana ny fampielezan-keviny anio ao an-drenivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT