Dokotera Elie Rasoanaivo

> Vonona hiaraka hiasa amin’ny rehetra amin’ny sehatry ny fampandrosoana


  • Talata 07 Janoary 2014


Tsy mba anisan’ireo kandida nitabataba na nametraka fitoriana mahakasika ny fifidianana Dokotera Rasoanaivo Elie. Miandry ampahatoniana izay vokatra avoakan’ny CES ny lehilahy. Ny fitadiavana tetika hahafahana mampandroso ny Distrikan’Ambatondrazaka no tena handaniany ron-doha. Mandalo ihany, hoy izy ny fifidianana fa ny asa fampandrosoana dia mitohy isan’andro. Afaka mifanome tanana amin’izay mitovy fomba fijery aminy, eo amin’izay resaka fampandrosoana izay ny lehilahy. Misy ny fikambanana Andrin’i Madagasikara izay miasa ho an’ny vahoaka. Mbola mitohy ny andraikitra noraisin’io fikambanana io teny anivon’ny vahoaka toy ny famatsiana masomboly sy zezika. Amin’izao fahatongavan’ny taona vaovao izao dia fanamby lehibe no ataon’i Dokotera Elie ho an’ny Distrikan’Ambatondrazaka dia ny hitondra ny haizatrany entina hanasoavana ny mponina.

 

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT