Dokotera Elie

> Mamy hoditra amin’ny mponin’Ambatondrazaka


  • Talata 10 Desambra 2013

Dokotera Elie amin’ilay «oui» ! Hampandroso an’Ambatondrazaka miaraka amin’i Robinson Jean Louis no feo manakoako amin’ireo toerana hanaovan’ny kandida dokotera Rasoanaivo Elie fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena.

Fokontany 10 isan’andro no mangataka ny fitsidihana atao ny kandida dokotera Elie any amin’izy ireo. Kaominina 8 amin’ireo 20 mandrafitra ny Distrikan’Ambatondrazaka hatreto no efa nanaovany fampielezan-kevitra. Tomefy olona avokoa ireo toerana rehetra nalehany. Nambarany fa ny fiaraha-miasany tamin’ny dokotera Robinson Jean Louis no nahavitana ireo fotodrafitrasa ara-pahasalamana tany amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Vahoaka salama, taranaka vanona, Ambatondrazaka mandroso no tanjona. Nahaliana ny rehetra ny fandaharanasany izay miompana indrindra amin’ny fitsinjovana ny vahoaka maro an’isa dia ny tantsaha. Ireo Tangalamena izay nandray fitenenana dia samy namaritra fa kandida tena akaiky vahoaka ao Ambatondrazaka raha dokotera Elie, noho izy nitsinjo ny sahirana. Manantena ny tenany fa hanome fahatokisana azy sy dokotera Robinson ny vahoaka Ambatondrazaka ka hisafidy ny laharana 33 amin’ny filoham-pirenena ary 21 amin’ny solombavambahoaka.

 

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT