Distrikan’i Lalangina

> Karne 30 tamin’ireo biletŕ tokana no very ka hitory ny kandidŕ tsy lany


  • Alatsinainy 06 Janoary 2014

Toy ny tany amin’ny faritra maro manerana ny Nosy dia nitrangana hala-bato goavana ihany koa ny tany amin’iny Distrikan’i Lalangina iny, hoy ny kandidŕ depiote Rakotonomenjanahary Jean Ernest avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

Efa saika nafinafenina, hoy izy, ny fahaverezana karne –na biletà tokana 20 tany an-toerana ka nahavoatery ny tompon’andraikitra naka karne 17 avy amin’ny birao fandatsaham-bato hafa namenoana ny banga tamin’io birao nahaverezana ny anjarany io. Rehefa nozaraina anefa izany dia fantatra fa nisy karne 10 tamin’ireo indray no tsy hita ary teo vao nivoaka ny resaka ny amin’ny fahaverezan’ireo karne 20 teo aloha. Fototry ny hala-bato noho ny fahazoan’ny nangalatra azy nanisy marika mialoha ireo bileta tokana narotsaky ny mpifidy voakarama ireo fahaverezana ireo, hoy Rakotonomenjanahary Jean Ernest, ka ankoatra ny tsy faneken’ireo kandidà nifaninana tany an-toerana dia hisy mihitsy fitoriana hatao ary hapetraka eny anivon’ny fitsarana mba hanamelohana ny nangalatra an’ireo karne 30 ireo fa heverinay fa tena heloka bevava eto amin’ny firenena izany, hoy ity kandidà ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT