Vokatra mampalaza ny Distrikan’Ambatoboeny ny lojy na “black eyes”. Feno azy ireo baiboho any an-toerana.
Taona vitsivitsy izay dia tsara vidy izy io satria saika aondrana avy hatrany ary ireo Karana no tena mila azy. «Tena ho tsara ny vokatra aterak’izao orana misesy izao amin’ity taona ity. Mitatra ny baiboho tondraka ka vanona tsara ny fambolena”, hoy ny Ben’ny tanànan’Ambatoboeny, Moussa Hamad. “Olana goavana anefa ny lalana famoaham-bokatra mirefy 23 km mampitohy an’Ambatoboeny amin’ny lalam-pirenena RN4, miainga ao Andranofasika”, hoy izy nitaraina tamin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny, Saïd Ahamad Jaffar, izay nijery ny zava-misy tany an-toerana ny alatsinainy 03 febroary 2014.
Maherin’ny 180 000 taonina ny vokatra nivoaka avy tao amin’ny Distrikan’Ambatoboeny ny taona 2013 araka ny voalazan’ny avy ao amin’ny Talem-paritry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitr’i Boeny. Anisan’izany ny vary, katsaka, vomanga, lojy, mangahazo ary voanjo. Miandrandra vokatra mihoatra lavitra noho io ny Lehiben’ny Faritra ka nidina tany an-toerana hamantatra izay tohana ilain’ity Distrika ity. Nanomboka ny taona 1990 dia 7 volana isan-taona no tapaka ny lalana mampitohy an’Ambatoboeny amin’ny lalam-pirenena faha-4, vokatry ny fiakarana sy fivilianan-dalan’ny reniranon’i Mangoro, izay mivarina ao Betsiboka.
Manaitra ny tompon’andraikitra, araka izany, ny Lehiben’ny Faritra mba hanao laharam-pahamehana ny fanamboarana io lalana io ho fampandrosoana ny toekarenan’ny Distrikan’Ambatoboeny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.