Distrika Ambatondrazaka

> Birao fandatsaham-bato 32 amin’ny 207 nisy olana ny PV


  • Zoma 27 Desambra 2013

Fanahiniana sa tsy fahaizana mifehy ny fifidianana no nahatonga ny taratasim-pifidianana (PV) tamin’ny birao fandatsaham-bato miisa 32 ho tsy tomombana tany amin’ny Distrika Ambatondrazaka? Miseho amin’ny endrika samihafa izany.

Ao ny isan’ny mpifidy tonga nandatsa-bato vitsy noho ny isam-bato azon’ny kandida. Misy indray ny sasany afaka 24 ora taorian’ny fifidianana vao nofenoina ny PV satria mamo ny mpikambana tao amin’ny birao fandatsaham-bato, fa ny tena betsaka dia ny fahadisoana teo amin’ny tarehimarika. Betsaka tamin’ny ireo mpilatsaka hofidiana solombavam-bahoaka tany amin’ny Distrika Ambatondrazaka no tsy manaiky ny vokatra mivoaka avy amin’ny SRMV. Niovaova isan’andro ny laharana ho an’ireo kandida dimy nahazo ny ampaham-bato be indrindra ka ny voalohany androany lasa fahatelo na fahadimy rehefa feno tanteraka ny vokatra. Ny talata hariva teo no feno tanteraka ny vokatra, izany hoe birao fandatsaham-bato 172 amin’ny 207, satria tsy nampidirina tao anaty kajy intsony ireo taratasim-pifidianana tamin’ny birao fandatsaham-bato 32. Mitarika vonjimaika ny lisitra maro amin’ny salan’isa 15%, faharoa ny avy amin’ny fikambanana Alaotra Miray Hina nahazo ny salan’isa 13%, fahatelo ny avy amin’ny MAPAR manana ny salan’isa 10%, fahaefatra ny kandida tsy miankina Baiandry nahazo ny 8% ny vato manankery ary ny fahadimy Andrin’i Madagasikara nahazo ny salan’isa 6%. Fantatra fa tamin’ny alatsinainy teo dia nisy ny fifanatonana teo amin’ireo kandida solombavam-bahoaka nahatsikaritra zavatra tsy nety tamin’iny fifidianana iny.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison FĂ©lix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT