Mitohy ary tsy manaiky milefitra amin´ny heviny ireo mpiasan´ny Kaominin´i Toamasina manao ny fitokonany, efa hananika ny 10 andro izao. Mbola mitazona ny teniny sy ny fitakiany hatrany izy ireo amin´ny fanerena ny fitondrana “hanala na hametrahan´ny PDS Rakotovao Mariot fialana”.
Amin´ireto mpiasa mitokona ireto dia “tsy mety intsony ny fiaraha-miasa amin’ny PDS noho ny didy jadona ataony”. “Afenina amin´ny fanagadrana mpiasa madinika ny olana eo anivon´ny Kaominina. Fantatray tsara anefa fa 240.000 Ar ny vidina solika mivoaka isan´andro ao amin´ny Kaominina ho an´ny “service technique”, nefa tsy mahazo afa-tsy 20.000 Ar isany ireo kamiao 02 sy traktera 03 manala fako. Tsy misy afa-tsy 50.000 Ar kosa ny fiara tokana mpamonjy hain-trano.
Dia aiza ny ambim-bola ? Araka ny nambaran´ireto mpiasa ireto hatrany koa dia mandeha ny fandrahonana mpiasa izao ary misy mikotrika fisamborana mpiasa sy hanao tery vay manta haka ny fanalahidin´ireo birao mihidy. Ankoatra izay, fantatra koa izao fa mitovy amin´ny zava-nisy tamin’ny taona 1982 tamin’ny naha filohan´ny fivondronana an´Atoa Stephen Jacques, ny zava-mitranga ankehitriny. Niverina ny tantara, 28 taona aty aoriana. Efa enina izao ireo nitondra ny Kaominina tao anatin´ny 20 taona, dia i Bezaka Alexis, Gagay Bonot, Andre Beasy, Soarison Constant Paulin, Andriamiarantsoa Barnest, Rakotomanana Gervais, izay vao Rakotovao Mariot, nefa tamin´ity farany vao tena nikororosy fahana ny Kaominina. Ho hita eo ny tohin´ity raharaha ity, mihenjan-droa rahateo ny tady.
Rakoutou
Sary : Mitombo hatrany ny sorabaventy eo amin’ny Voirie Toamasina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.