Actualités

Disadisa ao Barikadimy Nitatra amin’ny fitakiana ny fialan’i Horace Gatien


  • Alakamisy 15 Septambra 2011


 Mikatso ny dinika fitadiavam-bahaolana teo amin’ny ekipa mpanelanelana mikasika ny raharaha Barikadimy, tarihan’ny minisitry ny atitany Rakotoarisoa Florent andaniny sy ireo raiamandreny samy hafa avy amin’ireo vondrom-pirazanana nifanolana ary ireo fikambanan’ny mpianatra ankilany. Roa andro nidinihana anefa hatramin’izao fa tsy nisy ny vahaolana hentitra handaminana ny raharaha. Hentitra rahateo ireo foko nanana ny maty sy naratra izay tohanan’ny fikambanana mpianatra hafa ao Barikadimy, fa “ny fialan’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina Atoa Horace P Gatien no vahaolana amin’ity raharaha ity, ary amin’izay vao mety hisy ny tena fiaraha-midinika hamahana haingana ny olana tsy hisian’ny valifaty sy lonilony intsony”. Nilaza moa ny minisitra Rakotoarisoa Florent, fa miankina amin’ny fitondram-panjakana ny fepetra mikasika izany, satria olom-boafidy ny filohan’ny oniversite.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT