Actualités

Dinaben’Atsimo Andrefana Natomboka ofisialy tany Ampanihy


  • Zoma 08 Jolay 2016

Taorian’ny nankatoavan’ny fitsarana mahefa ny Dinaben’Atsimo Andrefana ny zoma 24 jona 2016 teo dia natomboka ofisialy voalohany tany amin’ny

 

distrikan’Ampanihy tamin’ny sabotsy 2 jolay teo izy io na dia efa nisy aza no nampihatra izany talohan’ireo fotoana ireo, hoy ny depiote Helson Eraffa Brisson dit Jubé filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Toliara. Tany an-toerana niaraka tamin’ny tenanay nanotrona ny fanombohana izany tetikasa izany ny depiote voafidy tany Ampanihy niaraka tamin’ny Lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana sy ny Lehiben’ny distrika any an-toerana niaraka tamin’ireo rantsamangaikan’ny mpitandro ny filaminana any amin’iny  Faritra iny. Sahiko ny milaza, hoy ny depiote Jubé, fa  tena lalana tokana sy mazava hampisy ny fandriampahalemana any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ny fampiharana ity Dinabe ity.  Manainga sy manentana ny Faritra ivelan’Atsimo Andrefana koa izahay mba hampihatra ity Dinabe fa hahatonga antsika any amin’ny fampandrosoana maharitra izy io noho izy miantoka ny fisian’ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny, hoy izy. Nomarihany moa fa anisan’ny zava-dehibe voarakitra ao amin’ny andininy faha-59  amin’ny fampiharana ny hazofotsy ao amin’ity Dina ity sy ny mahavoasaringotra ny fianakavian’izay tratra ambodiomby mangalatra omby ka tsy mahefa ny voarakitry ny Dina

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

Hijery ny tohiny
FTT