Didim-panjakana sadasada mifehy ny fifidianana

> Mety hitarika fanoherana ny valim-pifidianana, hoy ny SADC


  • Alatsinainy 23 Desambra 2013

Nanao tatitra savaranonando ny fizotry ny fifidianana ny zoma 20 desambra teo ireo mpanaramaso avy amin’ny SADC.

Tamim-pilaminana no nizoran’izany raha ny fahitan’ireo iraka 70 avy amin’ity vondrona ity. Nivalamparany kosa ny fanakianana ilay didim-panjakana manome fahefana ny lehiben’ny andrimpanjakana manatrika fampielezan-kevitra sy nanisy ny sariny eo anilan’ny kandida. Nampiasa tanteraka izay fahefana izany ny filohan’ny FAT izay hita tamin’ireo kandida depioten’ny MAPAR (Miaraka Amin’ny Prezida Andry Rajoelina) ny sariny ankoatra ny fanatrehany ny fampielezan-kevitr’i Hery Rajaonarimampianina. Nataon’i Mbikaia Félicien, lefitry ny lehiben’ny ekipa mpanaramaso avy amin’ ny SADC ohatra mihitsy moa ireny fihetsik’i Andry Rajoelina ireny. Nanamarika koa ity farany fa fanitsakitsahana ny tondrozotra iny didim-panjakana iny izay mety hiteraka fanoherana ny valim-pifidianana. “Ekena fa nofoanan’ny CES ilay didim-panjakana fa noho ny fanapahan-keviny tara loatra dia mety ho varavarana misokatra amin’ny fanoherana ny valim-pifidianana ireny”.

 Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT