Didier Ratsiraka

> Tsy mbola lera


  • Alatsinainy 11 Novambra 2013

Handeha hisotro ronono amin’izay i Didier Ratsiraka ka hamela ny toerana ho an’ny tanora ?

Mila mahandry tantana ireo zaza mpandimby fa tsy mbola lera raha ny zava-nitranga tetsy Sahamadio Ilafy ny sabotsy teo no jerena. Nankalazaina tamin’ny fomba miavaka tamin’io ny tsingerintaona faha-77 nahaterahan’i Didier Ratsiraka, nifampizarana ny masaka tamin’ireo kamarady Arema. Ity no fihaonambe niarahana taorian’ny nandaozan’ny amiraly an’i Madagasikara, ka nanaovany sesitany ny tenany tany Frantsa tamin’ny taona 2002. Raha 7 hatramin’ny 77 taona ny hatanorana ho an’ny vazaha, dia hita ho mbola miomana ny amin’ny ho avy i Deba,  raha niantso ireo kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena hiaraka hiasa, hisian’ny fitoniana … Nanotrona azy tamin’io fotoana io sy nifampitantana taminy i Andry Rajoelina. Tsy tazana kosa ry Elysée Ratsiraka rahalahiny na koa i Roland Ratsiraka zana-drahalahiny.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT